Pejy Fandraisana

Tongasoa

Tongasoa eto amin’ny  » Gasy Mblaogy « .

Miarahaba anao izay mitsidika ny tranokala. Ny gasy mblaogy moa dia tranokala iray amin’ny teny Malagasy. Entina manokana mba hizarana karazana lahatsoratra maro samihafa indrindra moa fa ireo karazana lahatsoratra maro hita eto amin’ny aterineto ho amin’ny fiteny Malagasy.

Anisany tena vinan’asa lehibe ny hoe hametraka ny tenin-drazantsika amin’ny alalan’ny aterineto mba afahan’ny rehetra mitady an’ireo karazana lahatsoratra ilainy amin’ny fiteny Malagasy fa tsy voatery amin’ny teny vahiny foana. Ezaka lehibe izao atao izao ary ilaina ny fiaraha-miasan’ny tsirairay na eto aminay mpiblaogy amin’ny teny gasy na eo amintsika tsirairay avy.

Misy karazana takelaka vitsivitsy ireto izay hita eto amin’ny Gasy Mblaogy :

Marihina manokana moa fa mety misy amin’izay teny voalaza ato ihany no mety ho diso tsipelina na diso fanoratra tsotra izao, koa am-pifaliana lehibe ho anay tokoa raha lazainareo ho anay izay diso amin’ny alalan’ny pejy fifandraisana.

Koa mirary soa ho anareo izay mitsidika ny blaogy izahay mba hahita fahafam-po amin’izay lahatsoratra arosonay rehetra eto ary indrindra indrindra mirary anareo ihany koa mba ho tonga any amin’izay tanjona irinareo tsirairay avy.

Miandrasa kely …
Misaotra aanao nisoratra anarana